Judges 1:21 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Ary ny taranak’i Benjamina dia tsy nandroaka ny Jebosita izay nonina tany Jerosalema; fa ny Jebosita dia miara-monina amin’ny taranak’i Benjamina any Jerosalema ihany mandraka androany.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Tsy nandroaka ny Jeboseanina nonina tao Jerosalema ny taranak’i Benjamina, ka niara-nonina tamin’ny zanak’i Benjamina tao Jerosalema mandraka androany ny Jeboseanina.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Fa ny Jebosita izay nonina tao Jerosalema kosa dia tsy voaroakan’ny taranak’i Benjamîna, ka mbola miara-nonina amin’ny taranak’i Benjamîna ao Jerosalema mandraka androany.
Malagasy Bible 1865
Ary ny taranak'i Benjamina tsy nandroaka ny Jebosita, izay mponina any Jerosalema; fa ny Jebosita dia miara-monina amin'ny taranak'i Benjamina any Jerosalema ihany mandraka androany.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Ary ny taranak’i Benjamina dia tsy nandroaka ny Jebosita izay nonina tany Jerosalema; fa ny Jebosita dia miara-monina amin’ny taranak’i Benjamina any Jerosalema ihany mandraka androany.
malagasy
Ary ny taranak'i Benjamina tsy nandroaka ny Jebosita, izay mponina any Jerosalema; fa ny Jebosita dia miara-monina amin'ny taranak'i Benjamina any Jerosalema ihany mandraka androany.