Judges 1:3 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Hoy i Joda tamin’i Simeona rahalahiny: Andeha ianao hiara-miakatra amiko ho any amin’ny lovako ka aoka isika hiady amin’ny Kananita; izaho kosa handeha hiaraka aminao ho any amin’ny lovanao. Dia nandeha niaraka taminy i Simeona.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Ary hoy i Jodà tamin’i Simeôna rahalahiny: «Andeha hiakatra miaraka amiko ianao ho any amin’ny tany azoko tamin’ny loka, dia hiady amin’ny Kananeanina isika; dia handeha hiaraka aminao koa aho any amin’ny tany azonao tamin’ny loka.» Dia niaraka taminy i Simeôna.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Dia hoy ny vatan-dehilahin’i Joda tamin’ny taranak’i Simehôna rahalahin’i Joda hoe: –Andeha hiaraka aminay haka ny faritany natokana ho anay, ka hiarahantsika manafika ny Kanahanita; avy eo dia haka ny faritaninareo miaraka aminareo koa izahay. Dia nikambana tamin’ny vatan-dehilahin’i Joda ny olona tao amin’ny fokon’i Simehôna,
Malagasy Bible 1865
Ary hoy Joda tamin'i Simeona rahalahiny: Andeha hiara-miakatra amiko ianao ho any amin'ny lovako, ka aoka isika hiady amin'ny Kananita; ary izaho kosa dia handeha hiaraka aminao ho any amin'ny lovanao. Ary Simeona dia nandeha niaraka taminy.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Hoy i Joda tamin’i Simeona rahalahiny: Andeha ianao hiara-miakatra amiko ho any amin’ny lovako ka aoka isika hiady amin’ny Kananita; izaho kosa handeha hiaraka aminao ho any amin’ny lovanao. Dia nandeha niaraka taminy i Simeona.
malagasy