Judges 1:30 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
I Zebolona dia tsy nandroaka ny mponina tany Kitirona na ny mponina tany Nahalola, fa nonina teo aminy ny Kananita ka nampanaovina fanompoana.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
I Zabolôna tsy nandroaka ny mponina tao Setrôna, na ny mponina tao Naalôna, ka nonina tao amin’i Zabolôna ny Kananeanina fa nampandoaviny hetra.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Ny taranak’i Zebolòna dia tsy naharoaka ireo mponina tao Kitrôna na ny tao Nahalôla; ka nipetraka teo anivon’ny Zebolonita ireo Kanahanita ireo saingy nampanompoiny.
Malagasy Bible 1865
Zebolona tsy nandroaka ny mponina tany Kitrona, na ny mponina tany Nahalola; fa nonina teo aminy ny Kananita ka nampanaovina fanompoana.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
I Zebolona dia tsy nandroaka ny mponina tany Kitirona na ny mponina tany Nahalola, fa nonina teo aminy ny Kananita ka nampanaovina fanompoana.
malagasy
Zebolona tsy nandroaka ny mponina tany Kitrona, na ny mponina tany Nahalola; fa nonina teo aminy ny Kananita ka nampanaovina fanompoana.