Judges 1:35 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Fa ny Amorita dia mbola nonina tany amin’ny tendrombohitra Heresa sy tany Aialona ary Salabima ihany; nefa nahery ny tanan’ny taranak’i Josefa ka nampanaovina fanompoana ireo.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
ary nahazo toky ny Amôreana hitoetra ao Hara-Haresy sy Ajalôna ary Selebima fa nanampatra ny herin’ny tanany tamin’izy ireo kosa ny fianakavian’i Josefa, ka nampandoaviny hetra izy ireo.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Nanohy nipetraka tao Hara-Heresa sy Aialôna ary Sahalbima ny Amôrita; kanjo tato aoriana dia nanjakan’ny taranak’i Efraîma sy i Manase izy, ka voatery nanompo azy.
Malagasy Bible 1865
fa tian'ny Amorita hitoerana indrindra ny tendrombohitra Heresa sy ny tany Aialona sy Salbima; nefa nahery ny tanan'ny taranak'i Josefa, ka dia nampanaovina fanompoana ireo.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Fa ny Amorita dia mbola nonina tany amin’ny tendrombohitra Heresa sy tany Aialona ary Salabima ihany; nefa nahery ny tanan’ny taranak’i Josefa ka nampanaovina fanompoana ireo.
malagasy
fa tian'ny Amorita hitoerana indrindra ny tendrombohitra Heresa sy ny tany Aialona sy Salbima; nefa nahery ny tanan'ny taranak'i Josefa, ka dia nampanaovina fanompoana ireo.Ary ny fari-tanin'ny Amorita dia hatramin'ny fiakarana Akrabima ka hatramin'ilay harambato no ho mankany.