Judges 1:7 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Dia hoy i Adonỳ-Bezeka: Mpanjaka fitopolo voatapaka ankiben-tanana sy ankiben-tongotra no nitsindroka hanina tao ambanin’ny latabatro; koa mba tahaka ny nataoko ihany lahy ity no navalin’Andriamanitra ahy! Ary noentin’ireo ho any Jerosalema izy ka maty tany.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Dia hoy i Adôni-Bezeka: «Mpanjaka fitopolo notapahina ankiben-tongotra aman-tanana no nitsindroka tao ambany latabatro, ka ny nataoko ity no afotitr’Andriamanitra amiko.» Nentina nankany Jerosalema izy, dia maty tany.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Ary hoy i Adônỳ-Bezèka hoe: –Mpanjaka fitopolo, tapaka ankiben-tanana sy ankiben-tongotra, no nitsimpona hanina teo ambany latabatro; koa izay nataoko ihany no navalin’Andriamanitra ahy! Dia nentina ho any Jerosalema i Adonỳ-Bezèka ary maty tany.
Malagasy Bible 1865
Ary hoy Adoni-bezeka: Mpanjaka fito-polo voatapaka ny ankihiben-tànany sy ny ankihiben-tongony no nitsindroka hanina teo ambanin'ny latabatro; ka mba tahaka ny nataoko ihany lahy ity no navalin'Andriamanitra ahy! Ary nentin'ireo ho any Jerosalema izy ka maty tany.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Dia hoy i Adonỳ-Bezeka: Mpanjaka fitopolo voatapaka ankiben-tanana sy ankiben-tongotra no nitsindroka hanina tao ambanin’ny latabatro; koa mba tahaka ny nataoko ihany lahy ity no navalin’Andriamanitra ahy! Ary noentin’ireo ho any Jerosalema izy ka maty tany.
malagasy