Judges 1:9 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Avy eo dia nidina ny taranak’i Joda hiady amin’ny Kananita izay nonina tany amin’ny tany be havoana sy tany amin’ny Negeva ary tany amin’ny Sefela.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Taorian’izany dia nidina ny taranak’i Jodà hiady amin’ny Kananeanina monina amin’ny tendrombohitra, ny Negeba ary ny Sefelà.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Taorian’izany, dia nidina ireo hiady tamin’ny Kanahanita izay nonina teny an-kavoana sy tany amin’ny faritra atsimo ary tany amin’ny lemak’i Sefelà.
Malagasy Bible 1865
Ary rehefa afaka izany, dia nidina ny taranak'i Joda hiady amin'ny Kananita izay nonina tany amin'ny tany havoana sy tany amin'ny tany atsimo ary tany amin'ny tany lemaka amoron-tsiraka.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Avy eo dia nidina ny taranak’i Joda hiady amin’ny Kananita izay nonina tany amin’ny tany be havoana sy tany amin’ny Negeva ary tany amin’ny Sefela.
malagasy
Ary rehefa afaka izany, dia nidina ny taranak'i Joda hiady amin'ny Kananita izay nonina tany amin'ny tany havoana sy tany amin'ny tany atsimo ary tany amin'ny tany lemaka amoron-tsiraka.[Heb. Sefela]