Judges 10:1 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Taorianan’i Abimeleka dia nitsangana hamonjy ny Israely i Tola, zanak’i Poa, zanak’i Dodo, lehilahy avy tamin’Isakara; izy dia nonina tao Samira, any amin’ny tany be havoana any Efraima.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
I Tolà zanak’i Foà, zanak’i Dôdao, lehilahy amin’i Isakara, no nitsangana hamonjy an’i Israely, taorian’i Abimeleka. Tany Samira amin’ny tendrombohitr’i Efraima izy no nonina.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Taorian’ny nahafatesan’i Abimelèka dia nitsangana i Tôlà, zanakalahin’i Povà sady zafikelin’i Dôdao, mba hamonjy ny vahoaka Israely. Izy dia lehilahy avy ao amin’ny fokon’i Jisakara ary nonina tao Samira, any amin’ny faritra be tendrombohitra any Efraîma.
Malagasy Bible 1865
Ary taorian'i Abimeleka dia nitsangana hamonjy ny Isiraely Tola, zanak'i Dodo, lehilahy avy tamin'ny Isakara; ary mponina tao Samira any amin'ny tany havoan'i Efraima izy.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Taorianan’i Abimeleka dia nitsangana hamonjy ny Israely i Tola, zanak’i Poa, zanak’i Dodo, lehilahy avy tamin’Isakara; izy dia nonina tao Samira, any amin’ny tany be havoana any Efraima.
malagasy
[Ny tantaran'i Tola sy Jaïra] Ary taorian'i Abimeleka dia nitsangana hamonjy ny Isiraely Tola, zanak'i Dodo, lehilahy avy tamin'ny Isakara; ary mponina tao Samira any amin'ny tany havoan'i Efraima izy.