Judges 10:15 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Ary hoy ny Zanak’Israely tamin’NY TOMPO: Efa nanota izahay; ataovy aminay izay rehetra sitrakao. Kanefa mba afaho ihany izahay anio!
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Dia hoy ny zanak’i Israely tamin’i Iaveh: «Efa nanota izahay, ka ataovy aminay izay heverinao ho mety. Kanefa mba afaho aloha izahay amin’ity andro ity».
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Fa hoy ny Israelita tamin’ny TOMPO: –Efa nanota izahay. Ataovy izay rehetra sitrakao hatao aminay, fa anio mba vonjeo ihany izahay!
Malagasy Bible 1865
Ary hoy ny Zanak'Isiraely tamin'i Jehovah: Efa nanota izahay; ataovy aminay izay rehetra sitrakao; kanefa mba vonjeo ihany izahay anio.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Ary hoy ny Zanak’Israely tamin’NY TOMPO: Efa nanota izahay; ataovy aminay izay rehetra sitrakao. Kanefa mba afaho ihany izahay anio!
malagasy
Ary hoy ny Zanak'Isiraely tamin'i Jehovah: Efa nanota izahay; ataovy aminay izay rehetra sitrakao; kanefa mba vonjeo ihany izahay anio.