Judges 10:18 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Dia nifampiera ny olona, dia ireo andrianan’i Gileada hoe: Iza no lehilahy handeha voalohany hiady amin’ny Amonita? Ho lohany amin’ny mponina rehetra any Gileada izy!
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Dia nifampilaza ny vahoaka, ny lehiben’i Galaada, nanao hoe: «Iza no lehilahy hanomboka ady voalohany amin’ny taranak’i Amôna? Dia izy no ho filohan’ny mponina rehetra amin’i Galaada».
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Ary nifanontany ny foko tao Gilehada sy ny mpitarika azy ka nanao hoe: –Iza no lehilahy sahy hanapoaka ady amin’ny Hamônita? Izany lehilahy izany no ho filohan’ny mponina rehetra eto Gilehada.
Malagasy Bible 1865
Dia nifampiera ny olona, dia ireo andrianan'i Gileada, hoe: Iza no lehilahy handeha voalohany hiady amin'ny taranak'i Amona? dia ho lohany amin'ny mponina rehetra any Gileada izy.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Dia nifampiera ny olona, dia ireo andrianan’i Gileada hoe: Iza no lehilahy handeha voalohany hiady amin’ny Amonita? Ho lohany amin’ny mponina rehetra any Gileada izy!
malagasy
Dia nifampiera ny olona, dia ireo andrianan'i Gileada, hoe: Iza no lehilahy handeha voalohany hiady amin'ny taranak'i Amona? dia ho lohany amin'ny mponina rehetra any Gileada izy.