Judges 10:4 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Nanana zanakalahy telopolo izay nitaingina borikilahy tanora telopolo izy sady nanana tanàna telopolo any amin’ny tany Gileada; antsoina hoe Havota-Jaìra ireny mandraka androany.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Izy nanan-janaka telopolo lahy, izay nitaingina ampondra telopolo sy nanan-tanàna telopolo, izay mbola antsoina mandraka androany hoe, Tranon’i Jaira, ary any amin’ny tany Galaada no nisy azy.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Nanan-janaka telopolo lahy izay nitaingina boriky telopolo sady nanana toerana telopolo tao amin’ny faritanin’i Gilehada; ary mandraka ankehitriny dia antsoina hoe Havôta-Jaîro ireny toerana ireny.
Malagasy Bible 1865
Ary nanana zanakalahy telo-polo izay nitaingina zana-boriky telo-polo izy, ary izy ireo nanana tanàna telo-polo any amin'ny tany Gileada; ary atao hoe Havota-jaïra mandraka androany ireo.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Nanana zanakalahy telopolo izay nitaingina borikilahy tanora telopolo izy sady nanana tanàna telopolo any amin’ny tany Gileada; antsoina hoe Havota-Jaìra ireny mandraka androany.
malagasy
Ary nanana zanakalahy telo-polo izay nitaingina zana-boriky telo-polo izy, ary izy ireo nanana tanàna telo-polo any amin'ny tany Gileada; ary atao hoe Havota-jaïra mandraka androany ireo.[Havota-jaïra = Tanàna madinika an'i Jaïra]