Judges 10:6 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Ary ny Zanak’Israely dia nanao izay ratsy ihany teo imason’NY TOMPO ka nanompo ireo Baala sy ireo Astarta, ireo andriamanitr’i Siria, ireo andriamanitr’i Sidona, ireo andriamanitr’i Moaba, ireo andriamanitry ny Amonita ary ireo andriamanitry ny Filistina. Nahafoy NY TOMPO izy ka tsy nanompo Azy intsony.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Ary nanao izay ratsy eo imason’i Iaveh ny zanak’i Israely. Izy ireo nanompo ny Baala sy ny Astarte, ny andriamanitr’i Siria, ny andriamanitr’i Sidona, ny andriamanitr’i Moaba, ny andriamanitry ny taranak’i Amôna, ary ny andriamanitry ny Filistinina, ary nandao an’i Iaveh sy tsy nanompo Azy intsony.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Ary mbola nanao izay ratsy eo imason’ny TOMPO indray ny Israelita ka nanompo ny Bahala sy Hastarôta andriamani-tsiizy, mbamin’ny andriamanitry ny Sirianina sy ny Tsidônianina na ny andriamanitry Môabita sy ny Hamônita ary ny Filistinina; fa nandao ny TOMPO izy ka tsy nanompo Azy intsony.
Malagasy Bible 1865
Ary ny Zanak'Isiraely dia nanao izay ratsy eo imason'i Jehovah indray ka nanompo ireo Bala sy Astarta sy ny andriamanitr'i Syria sy ny andriamanitr'i Sidona sy ny andriamanitr'i Moaba sy ny andriamanitry ny taranak'i Amona ary ny andriamanitry ny Filistina, dia nahafoy an'i Jehovah izy ka tsy nanompo Azy.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Ary ny Zanak’Israely dia nanao izay ratsy ihany teo imason’NY TOMPO ka nanompo ireo Baala* sy ireo Astarta*, ireo andriamanitr’i Siria, ireo andriamanitr’i Sidona, ireo andriamanitr’i Moaba, ireo andriamanitry ny Amonita ary ireo andriamanitry ny Filistina. Nahafoy NY TOMPO izy ka tsy nanompo Azy intsony.
malagasy
[Ny nihemoran'ny Isiraely indray, sy ny namalian'Andriamanitra azy] Ary ny Zanak'Isiraely dia nanao izay ratsy eo imason'i Jehovah indray ka nanompo ireo Bala sy Astarta sy ny andriamanitr'i Syria sy ny andriamanitr'i Sidona sy ny andriamanitr'i Moaba sy ny andriamanitry ny taranak'i Amona ary ny andriamanitry ny Filistina, dia nahafoy an'i Jehovah izy ka tsy nanompo Azy.