Judges 10:8 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Namoritra sy nanao tsindry hazo lena ny Zanak’Israely ireo tamin’izany taona izany; valo amby folo taona no nampahoriany ny Zanak’Israely rehetra izay tany andafin’i Jordana, tany amin’ny tanin’ny Amorita any Gileada.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Nampahorin’ireo sy notorotoroin’ireo tamin’izany taona izany ny zanak’i Israely; ary nampahoriny valo ambin’ny folo taona ny zanak’i Israely rehetra, izay nonina tany andafin’i Jordany amin’ny tanin’ny Amôreana, any Galaada.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Nanomboka tamin’izany taona izany ary nandritra ny 18 taona ireo no nampahory sy nanenjika ny Israelita izay nonina tany Gilehada sy tao amin’ny faritanin’ny Amôrita teny an-dafy atsinanan’i Jôrdàna.
Malagasy Bible 1865
Ary nampahory sy nanorotoro ny Zanak'Isiraely ireo tamin'izany taona izany: valo ambin'ny folo taona no nampahoriany ny Zanak'Isiraely rehetra, izay tany an-dafin'i Jordana, tany amin'ny tanin'ny Amorita any Gileada.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Namoritra sy nanao tsindry hazo lena ny Zanak’Israely ireo tamin’izany taona izany; valo amby folo taona no nampahoriany ny Zanak’Israely rehetra izay tany andafin’i Jordana, tany amin’ny tanin’ny Amorita any Gileada.
malagasy