Judges 11:18 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Dia nandeha nitety ny tany efitra izy ka nanodidina ny tany Edoma sy ny tany Moaba, dia tonga teo atsinanan’i Moaba ka nitoby teo andafin’i Arnona, satria tsy niditra tao anatin’ny faritanin’i Moaba izy; fa i Arnona no sisintanin’i Moaba.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Rehefa izany, namaky ny efitra izy, ka nanodidina ny tany Edôma sy ny tany Moaba, dia tonga tany atsinanan’ny tany Moaba. Dia nitoby tany an-dafin’i Arnôna izy ireo fa tsy nandroso tamin’ny faritr’i Moaba, fa i Arnôna no faritr’i Moaba.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Avy teo, dia nandeha namakivaky ny taniefitra izy, nanodidina ny faritanin’i Edôma sy i Môaba ary tonga tao atsinanan’i Môaba. Dia nitoby teo ampitan’ny renirano Arnôna izy fa tsy niditra tao anatin’ny faritanin’i Môaba, satria i Arnôna no sisin-taniny.
Malagasy Bible 1865
Dia nandeha nitety ny efitra izy ka nanodidina ny tany Edoma sy ny tany Moaba, dia tonga teo atsinanan'i Moaba, ka nitoby teo an-dafin'i Arnona, fa tsy niditra teo anatin'ny faritanin'i Moaba; fa Arnona no fari-tanin'i Moaba.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Dia nandeha nitety ny tany efitra izy ka nanodidina ny tany Edoma sy ny tany Moaba, dia tonga teo atsinanan’i Moaba ka nitoby teo andafin’i Arnona, satria tsy niditra tao anatin’ny faritanin’i Moaba izy; fa i Arnona no sisintanin’i Moaba.
malagasy