Judges 11:20 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Fa i Sihona dia tsy natoky an’Israely ka tsy namela azy hamakivaky ny faritaniny, fa namory ny vahoakany rehetra izy, dia nitoby tany Jahaza ka niady tamin’ny Israely.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
I Sehôna anefa, tsy ampy fitokiana an’i Israely mba hamela azy hamaky ny taniny. Namory ny vahoakany rehetra i Sehôna, ka nitoby tao Jasà, dia niady tamin’i Israely.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Tsy natoky ny Israelita i Sihôna ka tsy namela azy hamakivaky ny taniny; fa namory ny tafiny manontolo, dia nitoby tao Jahatsa ary nanafika ny Israelita.
Malagasy Bible 1865
Fa Sihona tsy natoky ny Isiraely hamaky ny fari-taniny, fa namory ny vahoakany rehetra izy, dia nitoby tany Jahaza ka niady tamin'ny Isiraely.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Fa i Sihona dia tsy natoky an’Israely ka tsy namela azy hamakivaky ny faritaniny, fa namory ny vahoakany rehetra izy, dia nitoby tany Jahaza ka niady tamin’ny Israely.
malagasy
Fa Sihona tsy natoky ny Isiraely hamaky ny fari-taniny, fa namory ny vahoakany rehetra izy, dia nitoby tany Jahaza ka niady tamin'ny Isiraely.