Judges 11:23 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Koa ankehitriny, NY TOMPO, Andriamanitry ny Israely, no efa nandroaka ny Amorita teo anoloan’ny Israely olony, ary ianao kosa va dia ta haka ny tany?
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Koa ankehitriny, rehefa noroahin’i Iaveh Andriamanitr’i Israely ny Amôreana, teo anoloan’i Israely vahoakany, ianao indray ve no handroaka an’i Israely hiala ao?
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Ny TOMPO Andriamanitr’i Israely àry no efa namela anay vahoakany haka ny tanin’ny Amôrita, ka dia ianao indray ve no te hanaisotra azy aminay?
Malagasy Bible 1865
Koa ankehitriny, Jehovah, Andriamanitry ny Isiraely, efa nandroaka ny Amorita teo anoloan'ny Isiraely olony: ary ianao kosa va tahaka ny tany?
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Koa ankehitriny, NY TOMPO, Andriamanitry ny Israely, no efa nandroaka ny Amorita teo anoloan’ny Israely olony, ary ianao kosa va dia ta haka ny tany?
malagasy
Koa ankehitriny, Jehovah, Andriamanitry ny Isiraely, efa nandroaka ny Amorita teo anoloan'ny Isiraely olony: ary ianao kosa va tahaka ny tany?