Judges 11:26 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Raha nitoetra nandritra ny telonjato taona tany Hesbona mbamin’ireo vohitra miankina aminy sy tany Aroera mbamin’ireo vohitra miankina aminy ary tany amin’ny tanàna rehetra eny amoron’i Arnona ny Israely, nahoana no tsy nalainareo ny tany tamin’izany andro izany?
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Indro efa telon-jato taona izao no nonenan’i Israely tany Hesebona, sy ny tanàna momba azy, ary ny tany Arôera sy ny tanàna momba azy, mbamin’ny tanàna rehetra amoron’i Arnôna, ka nahoana no tsy nalainareo ireny nandritra izany fotoana izany?
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Efa telonjato taona izao no nipetrahan’ny Israelita tao Hesbôna sy Harôhera mbamin’ireo tanàna kely manodidina azy avy ary koa tao amin’ireo tanàna rehetra eny amoron’i Arnôna; koa nahoana no tsy nalainareo io faritany io tamin’izany fotoana rehetra izany?
Malagasy Bible 1865
Raha ny Isiraely nitoetra telon-jato taona tany Hesboala sy ny zana-bohiny ary tany Aroera sy ny zana-bohiny ary tany amin'ny tanàna rehetra eny amoron'i Arnona, nahoana no tsy nalainareo ny tany tamin'izany andro izany?
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Raha nitoetra nandritra ny telonjato taona tany Hesbona mbamin’ireo vohitra miankina aminy sy tany Aroera mbamin’ireo vohitra miankina aminy ary tany amin’ny tanàna rehetra eny amoron’i Arnona ny Israely, nahoana no tsy nalainareo ny tany tamin’izany andro izany?
malagasy