Judges 11:29 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Ary tonga tamin’i Jefta ny Fanahin’NY TOMPO, dia nandeha nitety an’i Gileada sy Manase izy; nitety an’i Mizpa any Gileada koa izy ka niala tany Mizpa any Gileada, dia nandroso nankany amin’ny Amonita.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Dia tonga tamin’i Jefte ny Fanahin’i Iaveh, ka nandeha namaky an’i Galaada sy i Manase izy, ary tonga hatrany Masfà, any Galaada: ary avy ao Masfà dia nandroso hamely ny taranak’i Amôna.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Ary nirotsaka tao amin’i Jiftà ny Fanahin’ny TOMPO, dia nandeha nitety ny faritanin’i Gilehada sy i Manase izy, ary tonga tao Mitsepà any Gilehada mba hiampita ho any amin’ny faritanin’ny Hamônita.
Malagasy Bible 1865
Ary tonga tao amin'i Jefta ny Fanahin'i Jehovah, dia nandeha nitety an'i Gileada sy Manase izy; ka dia nitety an'i Mizpa any Gileada koa izy ka niala tany Mizpa any Gileada, dia nandroso nankany amin'ny taranak'i Amona.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Ary tonga tamin’i Jefta ny Fanahin’NY TOMPO, dia nandeha nitety an’i Gileada sy Manase izy; nitety an’i Mizpa any Gileada koa izy ka niala tany Mizpa any Gileada, dia nandroso nankany amin’ny Amonita.
malagasy