Judges 11:33 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Dia namely azy hatrany Aroera ka hatrany akaikin’i Minita, dia tanàna roapolo, ary hatrany Abela-Keramima, ka be dia be no maty. Voaetry teo anoloan’ny Zanak’Israely ny Amonita.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
ka nasiany hatrany Arôera ka hatrany akaikikaikin’i Menita, nahazoany tanàna roapolo, sy hatrany Abela-Keramina, ka dia resy mafy tokoa izy ireo. Dia voatery teo anoloan’i Israely ny taranak’i Amôna.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Nandresy azy i Jiftà, ka nahazo ny tanàna roapolo teo anelanelan’i Harôhera sy ny manodidina an’i Minita ary hatrany Abela-Keramima. Faharesena goavana ny an’ny Hamônita, ka dia nilefitra teo anoloan’ny Israelita izy.
Malagasy Bible 1865
Dia namely azy izy hatrany Aroera ka hatrany akaikin'i Minita sy hatrany Abela-keramima, dia tanàna roa-polo, ka be dia be no maty. Dia resy teo anoloan'ny Zanak'Isiraely ny taranak'i Amona.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Dia namely azy hatrany Aroera ka hatrany akaikin’i Minita, dia tanàna roapolo, ary hatrany Abela-Keramima, ka be dia be no maty. Voaetry teo anoloan’ny Zanak’Israely ny Amonita.
malagasy
Dia namely azy izy hatrany Aroera ka hatrany akaikin'i Minita sy hatrany Abela-keramima, dia tanàna roa-polo, ka be dia be no maty. Dia resy teo anoloan'ny Zanak'Isiraely ny taranak'i Amona.