Judges 11:34 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Ary raha tonga tany Mizpa ho any an-tranony i Jefta, dia indro, nivoaka hitsena azy ny zanany vavy nitondra ampongatapaka sy mpandihy. Vavy tokany izy io fa tsy nanana zanakalahy na zanakavavy afa-tsy io izy.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Niverina nankany an-tranony any Masfà i Jefte, ka inty ny zanany vavy no nivoaka hitsena azy, nitondra amponga tapaka sy nandihy. Zanany vavy tokana io, tsy nanana afa-tsy io izy, tsy nisy lahy na vavy hafa.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Fa nony niverina tany aminy tao Mitsepà i Jiftà, dia ny zanany vavy no nivoaka nitsena azy sady nandihy tamin’ny amponga tapaka; vavy tokany anefa io, fa tsy nanan-janaka hafa izy.
Malagasy Bible 1865
Ary Jefta tonga tany Mizpa ho any an-tranony, ary, indro, nivoaka ny zananivavy nitondra ampongatapaka sy mpandihy hitsena azy; ary vavy tokany io, fa tsy nanana zanakalahy na zanakavavy afa-tsy io izy.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Ary raha tonga tany Mizpa ho any an-tranony i Jefta, dia indro, nivoaka hitsena azy ny zanany vavy nitondra ampongatapaka sy mpandihy. Vavy tokany izy io fa tsy nanana zanakalahy na zanakavavy afa-tsy io izy.
malagasy