Judges 11:35 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Koa rehefa nahita azy i Jefta dia nandriatra ny fitafiany ka niteny hoe: Indrisy, ry zanako vavy! Tena mitondra fahoriana ho ahy ianao! Isan’izay mampidi-doza ahy ianao! Fa efa niloa-bava tamin’NY TOMPO aho ka tsy azoko iverenana intsony izany.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Vao nahita azy i Jefte dia nandriatra ny fitafiany ka nanao hoe: «Adray, anaka, mahaketraka ahy ianao ary anisan’izay mahavery hevitra ahy, fa efa niloa-bava tamin’i Iaveh aho, ka tsy afa-mifody intsony».
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Koa raha vao nahita azy i Jiftà, dia nandriatra ny fitafiany sady niantso hoe: –Indrisy, anaka, fa nampidi-doza ahy ianao, ary ianao izao no fototry ny hakiviako! Efa nanao voady tamin’ny TOMPO manko aho, ka tsy mahazo mitsoaka ny teny nomeko.
Malagasy Bible 1865
Koa rehefa nahita azy Jefta, dia nandriatra ny fitafiany ka nanao hoe: Indrisy, ry zanako-vavy! Efa nampitanondrika ahy indrindra ianao, ary ianao no tonga nampidi-doza tamiko; fa izaho efa niloa-bava tamin'i Jehovah, ka tsy azoko afody intsony.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Koa rehefa nahita azy i Jefta dia nandriatra ny fitafiany ka niteny hoe: Indrisy, ry zanako vavy! Tena mitondra fahoriana ho ahy ianao! Isan’izay mampidi-doza ahy ianao! Fa efa niloa-bava tamin’NY TOMPO aho ka tsy azoko iverenana intsony izany.
malagasy