Judges 11:36 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Fa hoy ny zanany vavy taminy: Ry dada ô, raha niloa-bava tamin’NY TOMPO ary ianao dia ataovy amiko araka izay naloaky ny vavanao satria NY TOMPO efa namaly anao tamin’ny Amonita fahavalonao.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Dia hoy izy taminy: «Dada ô, efa niloa-bava tamin’i Iaveh ianao, ka ataovy amiko araka izay naloaky ny vavanao, satria efa novalian’i Iaveh ny nataon’ny taranak’i Amôna fahavalonao taminao».
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Fa namaly azy ny zanany vavy hoe: –Dada ô, raha nanao voady tamin’ny TOMPO ianao, dia tanteraho amiko izay efa naloaky ny vavanao taminy satria IZY efa namela anao hamaly faty ny Hamônita fahavalonao.
Malagasy Bible 1865
Fa hoy ny zananivavy taminy: Ry dada ô, raha niloa-bava tamin'i Jehovah ary ianao, dia ataovy amiko araka izay naloaky ny vavanao, satria Jehovah efa namaly ny taranak'i Amona fahavalonao ho anao.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Fa hoy ny zanany vavy taminy: Ry dada ô, raha niloa-bava tamin’NY TOMPO ary ianao dia ataovy amiko araka izay naloaky ny vavanao satria NY TOMPO efa namaly anao tamin’ny Amonita fahavalonao.
malagasy
Fa hoy ny zananivavy taminy: Ry dada ô, raha niloa-bava tamin'i Jehovah ary ianao, dia ataovy amiko araka izay naloaky ny vavanao, satria Jehovah efa namaly ny taranak'i Amona fahavalonao ho anao.