Judges 11:38 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Hoy kosa ny rainy: Mandehana ary! Dia namela azy handeha roa volana izy. Dia nandeha Razazavavy sy ny namany ka nitomany teny amin’ny havoana noho izy tsy mbola nanambady akory.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Hoy ny navaliny azy: «Ndeha àry». Dia navelany handeha roa volana izy. Ka nandeha niaraka tamin’ny namany, nitomany ny fahavirijiniany tany amin’ny tendrombohitra izy.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Dia nomen’i Jiftà lalana handeha mandritra ny roa volana izy. Koa nandeha izy sy ireo namany ka nitomany teny an-tendrombohitra noho ny tenany tsy maintsy ho faty nefa tsy mbola nanambady akory.
Malagasy Bible 1865
Dia hoy kosa rainy: Mandehana ary. Dia nampandeha azy roa volana izy; ary dia nandeha razazavavy sy ny namany ka nitomany teny amin'ny havoana noho izy mbola tsy nanam-bady akory.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Hoy kosa ny rainy: Mandehana ary! Dia namela azy handeha roa volana izy. Dia nandeha Razazavavy sy ny namany ka nitomany teny amin’ny havoana noho izy tsy mbola nanambady akory.
malagasy
Dia hoy kosa rainy: Mandehana ary. Dia nampandeha azy roa volana izy; ary dia nandeha razazavavy sy ny namany ka nitomany teny amin'ny havoana noho izy mbola tsy nanam-bady akory.