Judges 11:39 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Rehefa tapitra ny roa volana dia niverina tany amin’ny rainy izy ka nataony taminy araka ny voadiny izay nataony. Tsy mbola nahalala lahy na oviana na oviana izy. Hatramin’izay dia tonga fanao teo amin’ny Israely
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Nony tapitra ny roa volana, dia niverina tany amin-drainy izy, ka notanterahiny taminy ny voady efa nataony, ary mbola tsy nahalala lahy izy. Izany no niavian’izao fanao amin’i Israely izao: isan-taona ny zazavavy Israelita dia mandeha mankalaza ny zanaka vavin’i Jefte, ilay Galaadita, mandritra ny hefarana isan-taona.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Nony afaka roa volana, dia niverina tany amin’ny rainy izy; ka notanterahin-drainy taminy tokoa izay voady efa nataony. Dia maty mbola virijiny razazavavy. Ary hatramin’izay dia nanjary fanao teo amin’ny Israelita izao fomba izao:
Malagasy Bible 1865
Ary rehefa tapitra ny roa volana, dia niverina tany amin'ny rainy izy; ary nataony taminy araka ny voadiny izay nataony; ary tsy mbola nahalala lahy izy. Ary tonga fanao tamin'ny Isiraely
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Rehefa tapitra ny roa volana dia niverina tany amin’ny rainy izy ka nataony taminy araka ny voadiny izay nataony. Tsy mbola nahalala lahy na oviana na oviana izy. Hatramin’izay dia tonga fanao teo amin’ny Israely
malagasy
Ary rehefa tapitra ny roa volana, dia niverina tany amin'ny rainy izy; ary nataony taminy araka ny voadiny izay nataony; ary tsy mbola nahalala lahy izy. Ary tonga fanao tamin'ny Isiraelyny fandehanan'ny zazavavin'ny Isiraely isan-taona hankalaza ny zanakavavin'i Jefta Gileadita hefarana isan-taona.[Na: hitomany]