Judges 11:8 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Dia hoy ireo loholon’i Gileada tamin’i Jefta: Izany no iverenanay atỳ aminao ankehitriny, mba handehananao miaraka aminay, ka hiadianao amin’ny Amonita, dia ho lohany aminay mponina rehetra any Gileada ianao.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Ary hoy ny loholon’i Galaada tamin’i Jefte: «Izany indrindra no hiverenanay atỳ aminao ankehitriny, mba handehananao miaraka aminay sy hiadianao amin’ny taranak’i Amôna; ary ho filohanay sy ny mponina rehetra any Galaada ianao.»
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Hoy kosa ny loholona tamin’i Jiftà: –Mitodika aminao izahay ankehitriny mba handehananao hiaraka aminay ka hiadianao amin’ny Hamônita; dia ho filohanay sy ho filohan’ny mponina rehetra any Gilehada ianao.
Malagasy Bible 1865
Dia hoy ny loholon'i Gileada tamin'i Jefta: Izany no iverenanay atỳ aminao ankehitriny, mba handehananao miaraka aminay, sy hiadianao amin'ny taranak'i Amona, ka dia ho lohany aminay mponina rehetra any Gileada ianao.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Dia hoy ireo loholon’i Gileada tamin’i Jefta: Izany no iverenanay atỳ aminao ankehitriny, mba handehananao miaraka aminay, ka hiadianao amin’ny Amonita, dia ho lohany aminay mponina rehetra any Gileada ianao.
malagasy