Judges 12:1 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Ary nivory ny lehilahin’i Efraima dia nandeha nianavaratra ka niteny tamin’i Jefta hoe: Nahoana no nandeha niady tamin’ny Amonita ianao ka tsy mba niantso anay hiaraka aminao? Hodoranay amin’ny afo ny tranonao sy ianao!
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Nivory ny lehilahy amin’i Efraima, ka nandeha nankany Sefôra, nanao tamin’i Jefte hoe: «Nahoana no nandeha niady tamin’ny taranak’i Amôna ianao, ka no tsy mba niantso anay hiaraka aminao? Hodoranay ny tranonao mbamin’ny tenanao».
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Nifamory ny vatan-dehilahin’i Efraîma, dia niampita an’i Jôrdàna ary tonga tao Tsafôna, ka niteny tamin’i Jiftà hoe: –Nahoana no nandeha niady tamin’ny Hamônita ianao, nefa tsy mba niantso anay handeha hiaraka aminao? Hodoranay aman-trano ianao anio.
Malagasy Bible 1865
Ary nivory ny lehilahy amin'ny Efraima, dia nandeha nianavaratra ka nanao tamin'i Jefta hoe: Nahoana no nandeha niady tamin'ny taranak'i Amona ianao ka tsy mba niantso anay hiaraka aminao? Hodoranay amin'ny afo ny tranonao sy ianao.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Ary nivory ny lehilahin’i Efraima dia nandeha nianavaratra ka niteny tamin’i Jefta hoe: Nahoana no nandeha niady tamin’ny Amonita ianao ka tsy mba niantso anay hiaraka aminao? Hodoranay amin’ny afo ny tranonao sy ianao!
malagasy
[Ny hatezeran'ny Efraima tamin'i Jefta, sy ny niadian'i Jefta taminy] Ary nivory ny lehilahy amin'ny Efraima, dia nandeha nianavaratra ka nanao tamin'i Jefta hoe: Nahoana no nandeha niady tamin'ny taranak'i Amona ianao ka tsy mba niantso anay hiaraka aminao? Hodoranay amin'ny afo ny tranonao sy ianao. [Na: nankany Zafona]