Judges 12:14 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Nanana zanakalahy efapolo sy zafy telopolo izay nitaingina borikilahy tanora fitopolo izy ary nitsara ny Israely nandritra ny valo taona;
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Nanan-janaka efapolo lahy sy zafy telopolo lahy izy, izay nitaingina zanak’ampondra telopolo.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Nanan-janaka efapolo lahy sy zafikely telopolo lahy i Habdôna; ka samy nitaingina boriky iray avy ireo. Nitondra ny Israelita nandritra ny valo taona i Habdôna;
Malagasy Bible 1865
Ary nanana zanakalahy efa-polo sy zafy telo-polo izay nitaingina zana-boriky fito-polo izy, ary nitsara ny Isiraely valo taona.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Nanana zanakalahy efapolo sy zafy telopolo izay nitaingina borikilahy tanora fitopolo izy ary nitsara ny Israely nandritra ny valo taona;
malagasy
Ary nanana zanakalahy efa-polo sy zafy telo-polo izay nitaingina zana-boriky fito-polo izy, ary nitsara ny Isiraely valo taona.Dia maty Abdona, zanak'i Elela, avy any Piratona, ka nalevina tany Piratona, any amin'ny tanin'ny Efraima any amin'ny tany havoan'ny Amalekita.