Judges 12:2 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Fa hoy i Jefta taminy: Izaho sy ny oloko dia niady mafy tamin’ny Amonita; ary niantso anareo aho, nefa tsy namonjy ahy tamin’ny tanany ianareo.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Dia izao no navalin’i Jefte azy ireo: «Mbola nifamaly mafy tamin’ny taranak’i Amôna izaho sy ny vahoakako dia efa niantso anareo aho, nefa tsy namonjy ahy tamin’ny tanany ianareo.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Fa namaly azy i Jiftà ka nanao hoe: –Nisy disadisa be tamiko sy ny vahoakako ary ny Hamônita. Dia niantso vonjy taminareo aho, nefa tsy nafahanareo teo an-tanan’ireny.
Malagasy Bible 1865
Fa hoy Jefta taminy: Izaho sy ny oloko efa nanana ady mafy tamin'ny taranak'i Amona; ary niantso anareo aho, fa tsy namonjy ahy tamin'ny tànany ianareo.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Fa hoy i Jefta taminy: Izaho sy ny oloko dia niady mafy tamin’ny Amonita; ary niantso anareo aho, nefa tsy namonjy ahy tamin’ny tanany ianareo.
malagasy
Fa hoy Jefta taminy: Izaho sy ny oloko efa nanana ady mafy tamin'ny taranak'i Amona; ary niantso anareo aho, fa tsy namonjy ahy tamin'ny tànany ianareo.