Judges 12:3 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Koa rehefa hitako fa tsy namonjy ahy ianareo dia nanao ny aiko tsy ho zavatra aho ka nandeha niady tamin’ny Amonita ary natolotry NY TOMPO teo an-tanako izy. Koa nahoana ianareo no miakatra hila ady amiko amin’ity andro ity?
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Nony hitako fa tsy tonga hamonjy ahy ianareo, dia nanao vy very ny aiko aho, ka nandeha niady tamin’ny taranak’i Amôna, ary natolotr’i Iaveh teo an-tanako ireny. Ka nahoana ianareo no miakatra atỳ amiko anio hiady amiko?»
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Koa rehefa hitako fa tsy tonga hanafaka ahy ianareo, dia nanao vy very ny aiko aho, ka nandeha nanafika ny Hamônita; ary natolotry ny TOMPO teo an-tanako izy. Koa nahoana ianareo no miakatra àty amiko anio mba hila ady amiko?
Malagasy Bible 1865
Ary rehefa hitako fa tsy namonjy ahy ianareo, dia nanao ny aiko tsy ho zavatra aho ka nandeha niady tamin'ny taranak'i Amona, ary natolotr'i Jehovah teo an-tanako izy, koa nahoana ianareo no miakatra atỳ amiko anio hila ady amiko?
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Koa rehefa hitako fa tsy namonjy ahy ianareo dia nanao ny aiko tsy ho zavatra aho ka nandeha niady tamin’ny Amonita ary natolotry NY TOMPO teo an-tanako izy. Koa nahoana ianareo no miakatra hila ady amiko amin’ity andro ity?
malagasy