Judges 12:5 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Dia novonjen’ny Gileadita ny fitàna any Jordana mankany amin’i Efraima. Rehefa niteny ny mpandositra avy amin’i Efraima hoe: Aoka mba hita aho, dia hoy ny lehilahin’ny Gileada taminy: Efraimita va ianao? Ary raha hoy izy: Tsia,
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Dia azon’i Galaada ny fitàna an’i Jordany ao amin’ny lafin’i Efraima, ka raha misy mpandositra avy amin’i Efraima manao hoe: «Avelao kely aho mba hita», dia anontanian’ny lehilahin’i Galaada izy hoe: «Efraimita va ianao?»Ary mamaly manao hoe: «Tsia.»
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Ary nobahanan’ny Gilehadita ireo fitàna ny ony Jôrdàna hankany Efraîma. Koa isaky ny misy mpandositra te hiampita, dia nanontaniana hoe: –Efraîmita va ianao? Koa raha namaly izy hoe «Tsia»,
Malagasy Bible 1865
Dia novonjen'ny Gileada ny fitàna any Jordana mankany amin'ny Efraima; ary nony niteny ny mpandositra avy amin'ny Efraima nanao hoe: Aoka mba hita aho; dia hoy ny lehilahy amin'ny Gileada taminy: Efraimita va ianao? ary raha hoy izy: Tsia,
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Dia novonjen’ny Gileadita ny fitàna any Jordana mankany amin’i Efraima. Rehefa niteny ny mpandositra avy amin’i Efraima hoe: Aoka mba hita aho, dia hoy ny lehilahin’ny Gileada taminy: Efraimita va ianao? Ary raha hoy izy: Tsia,
malagasy