Judges 12:6 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
dia hoy izy ireo taminy: Tonòny ary ny hoe Shiboleta. Dia hoy izy: Siboleta, satria tsy nahay nanonona izany marina izy. Dia nisambotra azy izy ireo ka namono azy teo amin’ny fitàna ao Jordana; nahafatesana roa arivo sy efatra alina ny Efraimita tamin’izany andro izany.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Dia hoy izy ireo manao hoe: «Tonòny àry ny hoe: Skibôleta.» Ary izy kosa manao hoe: «Sibôleta», fa tsy hainy tononina tsara izany; dia samboriny sy vonoiny eo anilan’ny fitàna an’i Jordany. Nisy roa arivo sy efatra alina ny lehilahin’i Efraima maty tamin’izany andro izany.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
dia nasaina notononiny ny teny hoe «Shibôleta»; ary satria tsy hainy notononina izany fa ataony hoe «Sibôleta», dia noraisim-potsiny izy ary novonoina ho faty teo akaikin’ny toerana fitàna ny ony Jôrdàna. Nahatratra andian-tafika 42 ny lehilahy Efraîmita maty tamin’izany fotoana izany.
Malagasy Bible 1865
dia hoy izy ireo taminy: Tonony ary ny hoe Shiboleta; fa hoy kosa izy: Siboleta, satria tsy nahay nanonona izany marina izy. Dia nisambotra azy ireo ka namono azy teo amin'ny fitàna ao Jordana; ary nahafatesana roa arivo sy efatra alina ny Efraimita tamin'izany andro izany.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
dia hoy izy ireo taminy: Tonòny ary ny hoe Shiboleta. Dia hoy izy: Siboleta, satria tsy nahay nanonona izany marina izy. Dia nisambotra azy izy ireo ka namono azy teo amin’ny fitàna ao Jordana; nahafatesana roa arivo sy efatra alina ny Efraimita tamin’izany andro izany.
malagasy