Judges 12:9 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Nanana zanakalahy telopolo sy zanakavavy telopolo, izay nampanambadiny tany ivelany izy, ary zazavavy telopolo kosa no nampidiriny ho an’ny zanany lahy. Nitsara ny Israely nandritra ny fito taona izy;
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Nanan-janaka telopolo lahy izy; ary zanany vavy telopolo no nampanambadiany tany ivelan’ny fianakaviany; ary ny zanany lahy kosa nangalany zazavavy telopolo avy any ivelany. Nandritra ny fito taona izy no mpitsara tany Israely.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Nanana zanakalahy telopolo sy zanakavavy telopolo izy, ka nampanambady ny zanany vavy tany ivelan’ny fokony sady nampakatra vinantovavy telopolo avy any ivelany koa. Ary nitondra ny Israelita nandritra ny fito taona i Ibitsàna;
Malagasy Bible 1865
Ary izy nanana zanakalahy telo-polo sy zanakavavy telo-polo, izay nampanambadiny tany ivelany, ary zazavavy telo-polo kosa no nampidiriny ho an'ny zananilahy. Ary nitsara ny Isiraely fito taona izy.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)

malagasy
Ary izy nanana zanakalahy telo-polo sy zanakavavy telo-polo, izay nampanambadiny tany ivelany, ary zazavavy telo-polo kosa no nampidiriny ho an'ny zananilahy. Ary nitsara ny Isiraely fito taona izy.