Judges 13:14 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Izay rehetra avy amin’ny voaloboka dia aza avela hohaniny, ary aza avela hisotro divay na toaka izy, na hihinana izay zavatra tsy madio na inona na inona izany; izay rehetra nandidiako azy dia aoka hotandremany avokoa.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
tsy hihinana na inona na inona rehefa mety ho zavatra avy amin’ny voaloboka; tsy hisotro divay na lalikera mahery izy, ary tsy hihinan-java-maloto izy: hotandremany avokoa izay rehetra nandidiako azy.»
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
tsy mahazo mihinana izay rehetra avy amin’ny voaloboka izy, tsy hisotro divay na toaka, tsy hihinana sakafo maloto; izay rehetra nandidiako azy dia tokony hotandremany avokoa.
Malagasy Bible 1865
Izay rehetra avy amin'ny voaloboka dia aza avela hohaniny, ary aza avela hisotro divay na toaka izy, na hihinana akory izay zava-padina; izay rehetra nandidiako azy dia aoka hotandremany avokoa.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)

malagasy
Izay rehetra avy amin'ny voaloboka dia aza avela hohaniny, ary aza avela hisotro divay na toaka izy, na hihinana akory izay zava-padina; izay rehetra nandidiako azy dia aoka hotandremany avokoa.