Judges 13:16 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Dia hoy ilay Anjelin’NY TOMPO tamin’i Manoa: Na dia tananao aza Aho, tsy mba hihinana amin’ny mofonao; fa raha hanolotra fanatitra dorana manontolo ianao, dia aoka NY TOMPO no hanoloranao izany. Fa tsy fantatr’i Manoa ho Anjelin’NY TOMPO Izy.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Ary hoy ny navalin’ilay Anjelin’i Iaveh tamin’i Manôe: «Na dia tananao aza aho dia tsy hihinana amin’izay haninao, fa raha te-hanamboatra sorona dorana ho an’i Iaveh ianao, dia atero izany.» Tsy nahalala i Manôe fa ilay Anjelin’i Iaveh io.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Fa novalian’ilay anjely hoe: –Na hijanona aza aho, dia tsy hihinana ny sakafo amboarinao; fa raha te hanao sorona dorana manontolo ianao, dia atolory ho an’ny TOMPO izany. Fa mbola tsy fantatr’i Manôà ho anjelin’ny TOMPO izy,
Malagasy Bible 1865
Dia hoy Ilay Anjelin'i Jehovah tamin'i Manoa: Na dia tananao aza Aho, tsy mba hihinana amin'ny haninao Aho tsy akory; fa raha hanatitra fanatitra dorana ianao, dia aoka Jehovah no hanateranao izany. Fa tsy fantatr'i Manoa ho Anjelin'i Jehovah Izy.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Dia hoy ilay Anjelin’NY TOMPO tamin’i Manoa: Na dia tananao aza Aho, tsy mba hihinana amin’ny mofonao; fa raha hanolotra fanatitra dorana manontolo ianao, dia aoka NY TOMPO no hanoloranao izany. Fa tsy fantatr’i Manoa ho Anjelin’NY TOMPO Izy.
malagasy