Judges 13:23 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Fa hoy ny vadiny taminy: Raha sitraky NY TOMPO ny hahafaty antsika dia tsy ho nety nandray fanatitra dorana manontolo sy fanatitra avy amin’ny zavamaniry avy tamin’ny tanantsika akory Izy, ary tsy ho nampahita antsika izany rehetra izany, ary tsy ho nampandre antsika izany zavatra izany ankehitriny.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Fa hoy ny navalin’ny vavy taminy: «Raha ny hahafaty antsika no tian’i Iaveh dia tsy ho nandray izay sorona dorana amana fanatitra tamin’ny tanantsika izy, na ho nampahita antsika izany zavatra rehetra izany, na ho nampandre antsika androany zavatra toy izao».
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Fa namaly azy ny vavy hoe: –Raha te hamono antsika ny TOMPO, dia tsy ho nanaiky ny sorona dorana manontolo sy fanatitra hohanina natolotsika, ary tsy ho nampahita antsika ireny zavatra rehetra ireny na ho nampandre antsika akory torolalana toy ireny aninkeo ireny.
Malagasy Bible 1865
Fa hoy ny vadiny taminy: Raha sitrak'i Jehovah ny hahafaty antsika, dia tsy ho nety nandray fanatitra dorana sy fanatitra hohanina tamin'ny tanantsika akory Izy, ary tsy ho nampahita antsika izany zavatra rehetra izany, ary tsy ho nampandre antsika izany zavatra izany ankehitriny.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Fa hoy ny vadiny taminy: Raha sitraky NY TOMPO ny hahafaty antsika dia tsy ho nety nandray fanatitra dorana manontolo sy fanatitra avy amin’ny zavamaniry avy tamin’ny tanantsika akory Izy, ary tsy ho nampahita antsika izany rehetra izany, ary tsy ho nampandre antsika izany zavatra izany ankehitriny.
malagasy