Judges 13:6 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Dia nandeha Ravehivavy ka nilaza tamin’ny vadiny hoe: Nisy lehilahin’Andriamanitra tonga tamiko, ary nahatahotra indrindra ny fijery azy, tahaka ny fijery ilay Anjelin’Andriamanitra ka tsy nanontany Azy izay niaviany aho, ary tsy nambarany ahy ny anarany.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Dia nandeha nilaza tamin’ny lahy ravehivavy nanao hoe: «Nisy olon’Andriamanitra tonga tatỳ amiko; tahaka ny Anjelin’Andriamanitra no fijery ny endriny, endrika mahatahotra. Tsy nanontany izay niaviany aho ary izy tsy nampahalala ahy izay anarany;
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Dia nody tany an-tranony ravehivavy ka niteny tamin’ny vadiny hoe: –Nisy lehilahin’Andriamanitra tonga tamiko. Toa anjelin’Andriamanitra no fijery azy satria nahatahotra mihitsy izy. Tsy nanontaniako izay niaviany ary tsy nambarany ahy ny anarany.
Malagasy Bible 1865
Dia nandeha ravehivavy ka nilaza tamin'ny vadiny hoe: Nisy lehilahin'Andriamanitra tonga tamiko, ary nahatahotra indrindra ny fijery azy, tahaka ny fijery Ilay Anjelin'Andriamanitra, ka tsy nanontany Azy izay nihaviany aho, ary tsy nambarany ahy ny anarany.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Dia nandeha Ravehivavy ka nilaza tamin’ny vadiny hoe: Nisy lehilahin’Andriamanitra tonga tamiko, ary nahatahotra indrindra ny fijery azy, tahaka ny fijery ilay Anjelin’Andriamanitra* ka tsy nanontany Azy izay niaviany aho, ary tsy nambarany ahy ny anarany.
malagasy
Dia nandeha ravehivavy ka nilaza tamin'ny vadiny hoe: Nisy lehilahin'Andriamanitra tonga tamiko, ary nahatahotra indrindra ny fijery azy, tahaka ny fijery Ilay Anjelin'Andriamanitra, ka tsy nanontany Azy izay nihaviany aho, ary tsy nambarany ahy ny anarany.