Judges 13:7 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Hoy Izy tamiko: Indro, hanana anaka ianao ka hiteraka zazalahy; koa ankehitriny, aza misotro divay na toaka ianao ary aza mihinana izay zavatra maloto na inona na inona izany; fa ho Nazirita ho an’Andriamanitra hatrany an-kibo ka ambara-pahafatiny ny zaza.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
fa izao no nolazainy tamiko: Efa hanana anaka ianao, ka hitera-dahy; koa ankehitriny aza misotro divay na lalikera mahery na mihinan-java-maloto, fa ho nazarean’Andriamanitra io zaza io hatrany am-bohoka ka mandra-pahafatiny».
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Nilazany aho fa hitoe-jaza ka hitera-dahy. Ary norarany aho tsy hisotro divay na toaka sady tsy hihinana sakafo maloto, satria io zaza io dia ho voatokana ho an’Andriamanitra hatrany an-kibo ka mandra-pahafatiny.
Malagasy Bible 1865
Fa hoy Izy tamiko: Indro, hanan'anaka ianao ka hiteraka zazalahy; koa ankehitriny aza misotro divay na toaka ianao, ary aza mihinana akory izay zava-padina; fa ho Nazirita ho an'Andriamanitra ny zaza hatrany an-kibo ka ambara-pahafatiny
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Hoy Izy tamiko: Indro, hanana anaka ianao ka hiteraka zazalahy; koa ankehitriny, aza misotro divay na toaka ianao ary aza mihinana izay zavatra maloto na inona na inona izany; fa ho Nazirita ho an’Andriamanitra hatrany an-kibo ka ambara-pahafatiny ny zaza.
malagasy