Judges 13:8 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Ary nangataka tamin’NY TOMPO i Manoa hoe: Tompo ô, aoka mba hankaty aminay indray ny lehilahin’Andriamanitra, ilay nirahinao, ka hampianatra anay ny fomba hitondranay ny zaza izay ho teraka.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Dia niantso an’i Iaveh i Manôe tamin’izay ka nanao hoe: «Tompo ô, raha sitrakao, dia aoka hiverina atỳ aminay indray ilay olon’Andriamanitra nirahinao, ka hanoro izay tokony hataonay amin’ny zaza ho teraka».
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Dia nivavaka tamin’ny TOMPO i Manôà ka nanao hoe: –Tompo ô, miangavy anao aho, mba avereno atỳ aminay ilay lehilahin’Andriamanitra izay efa nirahinao ka hampianatra anay ny tokony hataonay amin’ny zaza izay ho teraka.
Malagasy Bible 1865
Ary Manoa nangataka tamin'i Jehovah ka nanao hoe: Ry Tompo ô, aoka hankatỳ aminay indray ny lehilahin'Andriamanitra, ilay efa nirahinao, ka hampianatra anay ny hitondranay ny zaza izay ho teraka.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Ary nangataka tamin’NY TOMPO i Manoa hoe: Tompo ô, aoka mba hankaty aminay indray ny lehilahin’Andriamanitra, ilay nirahinao, ka hampianatra anay ny fomba hitondranay ny zaza izay ho teraka.
malagasy
Ary Manoa nangataka tamin'i Jehovah ka nanao hoe: Ry Tompo ô, aoka hankatỳ aminay indray ny lehilahin'Andriamanitra, ilay efa nirahinao, ka hampianatra anay ny hitondranay ny zaza izay ho teraka.