Judges 14:12 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Dia hoy i Samsona tamin’ireo: Hanao ankamantatra aminareo aho. Koa raha lazainareo amiko ny heviny ka hitanareo ny valiny ao anatin’ny fito andro aharetan’ny fanasana dia homeko lobaka telopolo sy akanjo intelopolo miova ianareo.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Ary hoy i Samsôna tamin’ireo: «Hanao ankamantatra aminareo aho; ka raha lazainareo amiko, ao anatin’ny hafitoana fanasana, ny heviny, ka fantatrareo, dia homeko lobaka telopolo sy akanjo telopolo atao fanovana ianareo.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Ary i Samsôna nilaza tamin’ireo hoe: –Hanao ankamantatra aminareo aho. Koa raha milaza ny valiny amiko ato anatin’ny fito andro fanaovam-panasàna ianareo, dia homeko lobaka telopolo tsara tarehy sy akanjo telopolo fitondra mianjaika.
Malagasy Bible 1865
Ary hoy Samsona tamin'ireo: Hanao fampanonona aminareo aho; koa raha lazainareo amiko ny heviny ao anatin'ny hafitoana fanasana ka fantatrareo, dia homeko lobaka telo-polo sy akanjo intelo-polo miova ianareo.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Dia hoy i Samsona tamin’ireo: Hanao ankamantatra aminareo aho. Koa raha lazainareo amiko ny heviny ka hitanareo ny valiny ao anatin’ny fito andro aharetan’ny fanasana dia homeko lobaka telopolo sy akanjo intelopolo miova ianareo.
malagasy