Judges 14:13 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Fa raha tsy mahalaza amiko kosa ny valiny ianareo dia homenareo lobaka telopolo sy akanjo intelopolo miova aho. Dia hoy izy ireo: Lazao ary ny ankamantatra fa mihaino izahay.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Fa raha tsy mahalaza ny heviny amiko kosa ianareo, dia ianareo no hanome ahy ny akanjo lobaka telopolo sy akanjo telopolo atao fanovana».
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Raha tsy izany kosa, dia ianareo no hanome ahy lobaka telopolo tsara tarehy sy akanjo telopolo fitondra mianjaika. Ka hoy ny navaliny azy: –Ataovy àry ny ankamantatrao, fa mihaino anao izahay.
Malagasy Bible 1865
Fa raha tsy mahalaza amiko kosa ianareo, dia homenareo lobaka telo-polo sy akanjo intelo-polo miova aho. Dia hoy izy ireo: Ataovy ary ny fampanonona mba hohenoinay.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Fa raha tsy mahalaza amiko kosa ny valiny ianareo dia homenareo lobaka telopolo sy akanjo intelopolo miova aho. Dia hoy izy ireo: Lazao ary ny ankamantatra fa mihaino izahay.
malagasy
Fa raha tsy mahalaza amiko kosa ianareo, dia homenareo lobaka telo-polo sy akanjo intelo-polo miova aho. Dia hoy izy ireo: Ataovy ary ny fampanonona mba hohenoinay.