Judges 14:15 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Ary tamin’ny andro fahafito dia hoy izy ireo tamin’ny vadin’i Samsona: Kolikoleo ny vadinao mba hilaza ny ankamantatra aminay, fandrao hodoranay amin’ny afo ianao sy ny ankohonan-drainao. Nanasa anay va ianareo mba hanafoananareo izay anananay? Tsy izany va?
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Ka nony tamin’ny andro fahafito dia hoy izy tamin’ny vadin’i Samsôna: «Taomy ny vadinao hilaza aminay ny hevitry ny ankamantatra, fa raha tsy izany, hodoranay avokoa ianao sy ny ankohonan-drainao. Sa ny hataonareo mafafa no nanasanareo anay?»
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Tamin’ny andro fahefatra kosa dia hoy ireo tamin’ny vadin’i Samsôna: –Langolangoy ny vadinao mba hilaza aminay ny valin’ny ankamantatra; fa raha tsy izany, dia hodoranay ianao sy ny ankohonan-drainao. Fa moa ny handraofanareo ny fanananay ve no nanasanareo anay?
Malagasy Bible 1865
Ary nony tamin'ny andro fahafito, dia hoy izy tamin'ny vadin'i Samsona: Taomy ny vadinao hilaza ny fampanonona aminay, fandrao hodoranay amin'ny afo ianao sy ny ankohonan-drainao; efa nanasa anay va ianareo ho entinareo mifafa izay anananay? Moa tsy izany va?
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Ary tamin’ny andro fahafito dia hoy izy ireo tamin’ny vadin’i Samsona: Kolikoleo ny vadinao mba hilaza ny ankamantatra aminay, fandrao hodoranay amin’ny afo ianao sy ny ankohonan-drainao. Nanasa anay va ianareo mba hanafoananareo izay anananay? Tsy izany va?
malagasy
Ary nony tamin'ny andro fahafito, dia hoy izy tamin'ny vadin'i Samsona: Taomy ny vadinao hilaza ny fampanonona aminay, fandrao hodoranay amin'ny afo ianao sy ny ankohonan-drainao; efa nanasa anay va ianareo ho entinareo mifafa izay anananay? Moa tsy izany va? [Na: (fahefatra)]