Judges 14:16 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Ary nitomany ny vadin’i Samsona sady nanjohy azy ka niteny hoe: Halanao aho fa tsy tianao akory; nanao ankamantatra tamin’ny zanaky ny fireneko ianao nefa tsy nolazainao tamiko ny heviny! Fa hoy i Samsona taminy: Indro, na dia ny raiko sy ny reniko aza tsy nilazako azy, koa ianao va no hilazako azy?
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Dia nitomany teo anilan’i Samsôna ny vavy, ka nanao taminy hoe: «Halanao mihitsy aho fa tsy tianao akory; nanao ankamantatra tamin’ny zanaky ny fireneko ianao, nefa tsy mba nolazainao tamiko ny hevitr’izany». Fa hoy ny navaliny azy: «Ikaky sy ineny aza tsy nilazako azy, ka ianao indray ve no hilazako?»
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Dia nandeha nanao an-dranomaso tamin’i Samsôna ny vadiny ka nanao hoe: –Halanao aho fa tsy tianao akory! Nisy ankamantatra nataonao tamin’ny mpiray firenena amiko nefa tsy mba nilazanao ny valiny aho. Ka hoy i Samsôna hoe: –Tsy nilazako ny valiny na dia ny ray aman-dreniko aza, koa ahoana moa no hilazako azy aminao?
Malagasy Bible 1865
Ary ny vadin'i Samsona dia nitomany teo anatrehany ka nanao hoe: Halanao aho, fa tsy tianao tsy akory; efa nanao fampanonona tamin'ny zanaky ny fireneko ianao, nefa tsy nolazainao tamiko ny heviny. Fa hoy izy taminy: Indro, na dia ny raiko sy ny reniko aza tsy nilazako azy, ka ianao va no hilazako?
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Ary nitomany ny vadin’i Samsona sady nanjohy azy ka niteny hoe: Halanao aho fa tsy tianao akory; nanao ankamantatra tamin’ny zanaky ny fireneko ianao nefa tsy nolazainao tamiko ny heviny! Fa hoy i Samsona taminy: Indro, na dia ny raiko sy ny reniko aza tsy nilazako azy, koa ianao va no hilazako azy?
malagasy