Judges 14:17 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Dia nitomany nanjohy azy hafitoana izay naharetan’ny fanasana Ravehivavy, koa tamin’ny andro fahafito dia nolazain’i Samsona taminy, satria nitakisina taminy izy; fa izy kosa dia nilaza ny hevitry ny ankamantatra tamin’ny zanaky ny fireneny.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Nandritra ny hafitoana nisian’ny fanasana dia nitomany teo anatrehany ihany izy, ka tamin’ny andro fahafito nony nanahirana azy mafy loatra izy dia nolazainy ny hevitry ny ankamantatra, dia nolazain’io tamin’iretsy zanaky ny fireneny kosa.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Dia nanjohy azy tamin-dranomaso ny vadiny tao anatin’ireo andro fito fanasana; ka tamin’ny andro fahafito, dia nilazan’i Samsôna ny valin’ny ankamantatra izy satria fatra-panao lemozy taminy. Avy eo ravehivavy dia nampita izany tamin’ny mpiray firenena aminy.
Malagasy Bible 1865
Dia nitomany teo anatrehany tamin'ny hafitoana izay nisian'ny fanasana ravehivavy; ary nony tamin'ny andro fahafito dia nolazain'i Samsona taminy, satria nitorikisina taminy izy; ary izy kosa nilaza ny fampanonona tamin'ny zanaky ny fireneny.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Dia nitomany nanjohy azy hafitoana izay naharetan’ny fanasana Ravehivavy, koa tamin’ny andro fahafito dia nolazain’i Samsona taminy, satria nitakisina taminy izy; fa izy kosa dia nilaza ny hevitry ny ankamantatra tamin’ny zanaky ny fireneny.
malagasy