Judges 14:18 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Tamin’ny andro fahafito, raha tsy mbola maty ny masoandro, dia hoy ireo lehilahy tao an-tanàna tamin’i Samsona: Inona no mamy noho ny tantely, ary inona no mahery noho ny liona? Fa hoy kosa izy taminy: Raha tsy nampiasa ny ombivavikeliko ianareo dia tsy ho nahalala ny ankamantatra nataoko.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Tamin’ny andro fahafito raha mbola tsy maty ny masoandro dia hoy ny lehilahy tao an-tanàna tamin’i Samsôna: «Inona no mamy noho ny tantely; Ary inona no mahery noho ny liona?» Fa hoy kosa izy tamin’izy ireo: «Raha tsy ny omby vavy keliko no nentinareo niasa, dia tsy nahalala ny ankamantatro ianareo.»
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Koa tamin’iny andro fahafito iny, talohan’ny hilentehan’ny masoandro, dia tonga ireo lehilahy tao an-tanàna nilaza tamin’i Samsôna hoe: –Inona no mamy noho ny tantely? Ary inona no mahery noho ny liona? Fa hoy ny navalin’i Samsôna azy: –Raha tsy nampiasa ny vantotr’ombivaviko ianareo, dia tsy ho nahita ny valin’ny ankamantatro.
Malagasy Bible 1865
Ary nony tamin'ny andro fahafito, raha tsy mbola maty ny masoandro, dia hoy ny lehilahy tao an-tanàna tamin'i Samsona: Inona no mamy noho ny tantely; Ary inona no mahery noho ny liona? Ary hoy kosa izy taminy: Raha tsy nampiasa ny ombivavikeliko ianareo. Dia tsy ho nahalala ny fampanonona nataoko.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Tamin’ny andro fahafito, raha tsy mbola maty ny masoandro, dia hoy ireo lehilahy tao an-tanàna tamin’i Samsona: Inona no mamy noho ny tantely, ary inona no mahery noho ny liona? Fa hoy kosa izy taminy: Raha tsy nampiasa ny ombivavikeliko ianareo dia tsy ho nahalala ny ankamantatra nataoko.
malagasy