Judges 14:19 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Dia tonga tamin’i Samsona ny Fanahin’NY TOMPO ka nidina nankany Askelona izy dia namono telopolo lahy tao, ary nalainy ny fitafian’ireo ka nomeny ho an’izay nilaza ny ankamantatra. Nirehitra ny fahatezeran’i Samsona raha niakatra nankany amin’ny tranon’ny rainy izy.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Dia nentin’ny Fanahin’i Iaveh izy ka nidina nankany Askalôna. Ary namono olona telopolo lahy tao izy, dia naka babo avy aminy. Ka ny fitafiana atao fanovany nomeny an’izay nahalala ny ankamantatra. Raha efa izany niakatra nankany an-tranon-drainy izy, fa nirehitra ny fahatezeran’i Samsôna.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Dia nilatsaka tamin’i Samsôna ny Fanahin’ny TOMPO, ka lasa nidina tany Askelôna izy. Namono nahafaty telopolo lahy tao izy ka naka ny fitafiany ary nanome ireny ho an’ireo nilaza ny valin’ny ankamantatra. Ary nirehi-pahatezerana i Samsôna ka niakatra nody tany amin’ny rainy.
Malagasy Bible 1865
Dia nilatsaka tamin'i Samsona ny Fanahin'i Jehovah ka nidina nankany Askelona izy, dia namono telo-polo lahy tao, ary nalainy ny fitafian'ireo ka nomeny ho an'izay nilaza ny fampanonona. Dia nirehitra ny fahatezeran'i Samsona, ka niakatra nankany amin'ny tranon-drainy izy.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Dia tonga tamin’i Samsona ny Fanahin’NY TOMPO ka nidina nankany Askelona izy dia namono telopolo lahy tao, ary nalainy ny fitafian’ireo ka nomeny ho an’izay nilaza ny ankamantatra. Nirehitra ny fahatezeran’i Samsona raha niakatra nankany amin’ny tranon’ny rainy izy.
malagasy
Dia nilatsaka tamin'i Samsona ny Fanahin'i Jehovah ka nidina nankany Askelona izy, dia namono telo-polo lahy tao, ary nalainy ny fitafian'ireo ka nomeny ho an'izay nilaza ny fampanonona. Dia nirehitra ny fahatezeran'i Samsona, ka niakatra nankany amin'ny tranon-drainy izy.Ary ny vadiny dia lasan'ny namany, izay efa nataony sakaizany.