Judges 14:3 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Fa hoy ny rainy sy ny reniny taminy: Moa tsy misy vehivavy va eto amin’ny zanaky ny havanao, na ato amin’ny fireneko manontolo, no dia mandeha maka vady any amin’ny Filistina tsy mifora ianao? Dia hoy i Samsona tamin’ny rainy: Izy ihany no alao ho ahy, fa izy no mahafinaritra ahy.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Hoy ny ray aman-dreniny taminy: «Nahoana kosa no dia any amin’ny Filistinina tsy mifora ianao no haka vady; fa angaha tsy misy vehivavy amin’ny zana-kavanao, sy eto amin’izay rehetra iray firenena amintsika?»Dia hoy i Samsôna tamin-drainy: «Izay ihany alaina ho ahy, fa izay no sitrako.»
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Fa namaly azy ny ray sy reniny hoe: –Angaha tsy misy tovovavy ato amin’ny fokonao na ato amin’ny firenenao manontolo no handeha haka vady any amin’izay Filistinina tsy mifora ianao? Fa hoy i Samsôna tamin’ny rainy: –Iny no mahafinaritra ahy, ka angataho ho vadiko.
Malagasy Bible 1865
Fa hoy ny rainy sy ny reniny taminy: Moa tsy misy vehivavy va eto amin'ny zana-kavanao, na ato amin'ny firesako rehetra, no dia mandeha maka vady any amin'ny Filistina tsy mifora ianao? Dia hoy Samsona tamin-drainy: Izy ihany no alao ho ahy, fa izy no mahafinaritra ahy.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Fa hoy ny rainy sy ny reniny taminy: Moa tsy misy vehivavy va eto amin’ny zanaky ny havanao, na ato amin’ny fireneko manontolo, no dia mandeha maka vady any amin’ny Filistina tsy mifora ianao? Dia hoy i Samsona tamin’ny rainy: Izy ihany no alao ho ahy, fa izy no mahafinaritra ahy.
malagasy