Judges 14:4 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Tsy fantatry ny rainy sy ny reniny fa avy tamin’NY TOMPO izany satria nitady izay hiadiany amin’ny Filistina Izy. Fa tamin’izany andro izany dia ny Filistina no nifehy ny Israely.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Tsy nahalala rainy aman-dreniny fa avy amin’Andriamanitra izany, satria izy nitady antony hananganan’ny Filistinina ady. Nanapaka an’i Israely tamin’izany andro izany ny Filistinina.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Tsy fantatry ny ray aman-dreniny fa ny TOMPO mihitsy no namelona izany faniriana izany tao amin’i Samsôna mba hahazoany miady amin’ny Filistinina, satria tamin’izany fotoana izany dia ny Filistinina no nanjaka tamin’ny Israelita.
Malagasy Bible 1865
Fa tsy fantatry ny rainy sy ny reniny fa avy tamin'i Jehovah izany, satria nitady izay hiadiany tamin'ny Filistina Izy; fa tamin'izany andro izany ny Filistina no nanapaka ny Isiraely.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Tsy fantatry ny rainy sy ny reniny fa avy tamin’NY TOMPO izany satria nitady izay hiadiany amin’ny Filistina Izy. Fa tamin’izany andro izany dia ny Filistina no nifehy ny Israely.
malagasy
Fa tsy fantatry ny rainy sy ny reniny fa avy tamin'i Jehovah izany, satria nitady izay hiadiany tamin'ny Filistina Izy; fa tamin'izany andro izany ny Filistina no nanapaka ny Isiraely.[Na: izy]