Judges 14:6 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Dia tonga tamin’i Samsona ny Fanahin’NY TOMPO ka nosamatsamahiny toy ny fanasamaka zanak’osy ilay liona tanora, nefa tsy nisy na inona na inona teny an-tanany. Ary tsy nambarany tamin’ny rainy na tamin’ny reniny ny zavatra izay nataony.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Fa notsindrian’ny Fanahin’i Iaveh i Samsôna, ka nosamatsamahany hoatra ny fanasamaka zanak’osy ilay liona, nefa tsy nisy na inona na inona teny an-tanany, ary tsy nambarany tamin-drainy aman-dreniny akory izany nataony izany.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Fa nilatsaka tamin’i Samsôna ny Fanahin’ny TOMPO, ka tanam-polo no nentiny nanasamatsamaka ilay liona tanora toy ny fanasamatsamahana zanak’osy; saingy tsy nambarany tamin’ny ray aman-dreniny izany zavatra nataony izany.
Malagasy Bible 1865
Dia nilatsaka tamin'i Samsona ny Fanahin'i Jehovah, ary ilay liona tanora dia nosamatsamahiny hoatra ny fanasamaka zanak'osy, nefa tsy nisy na inona na inona teny an-tànany; ary tsy nambarany tamin'ny rainy na tamin'ny reniny izay efa nataony.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Dia tonga tamin’i Samsona ny Fanahin’NY TOMPO ka nosamatsamahiny toy ny fanasamaka zanak’osy ilay liona tanora, nefa tsy nisy na inona na inona teny an-tanany. Ary tsy nambarany tamin’ny rainy na tamin’ny reniny ny zavatra izay nataony.
malagasy