Judges 14:8 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Andro vitsivitsy tatỳ aoriana dia niverina hampakatra azy i Samsona ka nivily hizaha ny fatin’ilay liona. Ary indro, nisy andian-tantely sy tantely ranony tao amin’ilay fatin’ny liona.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Nony afaka kelikely niverina mba handray azy izy, ka nivily hizaha ny fatin’ilay liona, ary indro nisy antokon-drenitantely sy tantely teo amin’ny vatan’ilay liona.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Andro vitsivitsy tato aoriana dia niverina tao Timnà izy mba hampakatra azy. Ary nivily izy mba hijery ny fatin’ilay liona ka nahita renitantely sy tantely tao anatin’ny vondron-taolan’ilay fatin-diona.
Malagasy Bible 1865
Ary rehefa afaka kelikely, dia niverina hampakatra azy Samsona ka nivily hizaha ny fatin'ilay liona; ary, indro, nisy reni-tantely nivangongo sy tantely tao amin'ilay fatin'ny liona.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Andro vitsivitsy tatỳ aoriana dia niverina hampakatra azy i Samsona ka nivily hizaha ny fatin’ilay liona. Ary indro, nisy andian-tantely sy tantely ranony tao amin’ilay fatin’ny liona.
malagasy
Ary rehefa afaka kelikely, dia niverina hampakatra azy Samsona ka nivily hizaha ny fatin'ilay liona; ary, indro, nisy reni-tantely nivangongo sy tantely tao amin'ilay fatin'ny liona.