Judges 14:9 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Nakan’i Samsona tamin’ny tanany izany, dia nihinana teny am-pandehanana izy; ary nankany amin’ny ray aman-dreniny izy dia nanome azy ka nihinana koa izy mivady. Tsy nambarany taminy anefa fa tao amin’ny fatin’ilay liona no nakany ny tantely.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Naka tamin’io izy teo an-tanany, nohaniny teny an-dalana, ka nony nahatratra an-drainy aman-dreniny izy, nomeny koa ireo dia nihinana; nefa tsy nolazainy tamin’ireo fa nalainy tamin’ny vatan’ilay liona ny tantely.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Dia nalainy tamin’ny tanany ny tantely ka nihinanany teny am-pandehanana. Ary nankany amin’ireo ray aman-dreniny izy, dia nanome tantely azy ka nihinana koa izy mivady; nefa tsy nambaran-janany taminy fa tao anatin’ny vondron-taolana fatin-diona no nangalany azy.
Malagasy Bible 1865
Ary nalain'i Samsona izany ka nentiny teny an-tànany, dia nihinana teny am-pandehanana izy; ary nankany amin'ny rainy aman-dreniny izy, dia nanome azy, ka nihinana koa izy mivady; nefa tsy nambarany taminy fa tao amin'ny fatin'ilay liona no nangalany ny tantely.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Nakan’i Samsona tamin’ny tanany izany, dia nihinana teny am-pandehanana izy; ary nankany amin’ny ray aman-dreniny izy dia nanome azy ka nihinana koa izy mivady. Tsy nambarany taminy anefa fa tao amin’ny fatin’ilay liona no nakany ny tantely.
malagasy