Judges 15:1 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Andro vitsivitsy tatỳ aoriana, tamin’ny taom-pijinjana ny varimbazaha, dia nitondra zanak’osy i Samsona hoentiny mamangy ny vadiny ka hoy izy: Hiditra ao amin’ny vadiko ao an’efitrano aho. Nefa tsy namela azy hiditra ny rafozany,
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Nony afaka kelikely, tamin’ny fotoam-pijinjam-bary dia nandeha hamangy ny vadiny i Samsôna, nitondra zanak’osy anankiray ka nanao hoe: «Te-hiditra ao amin’ny vadiko ao an’efitranony aho.» Fa tsy navelan-drainy hiditra izy.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Nony afaka andro vitsivitsy, tamin’ny fotoam-pijinjana varimbazaha, dia nandeha nitsidika ny vadiny i Samsôna, ka nitondra zanak’osy ho azy. Ary nangataka izy mba hahazo hiditra ao amin’ny efitrano misy ny vadiny, fa nolavin’ny rafozan-dahiny
Malagasy Bible 1865
Ary nony afaka kelikely, tamin'ny taom-pijinjana ny vary tritika, dia nitondra zanak'osy Samsona ho entiny mamangy ny vadiny, ka hoy izy: Hiditra ao amin'ny vadiko ao an-efi-trano aho. Nefa tsy namela azy hiditra ny rafozany,
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Andro vitsivitsy tatỳ aoriana, tamin’ny taom-pijinjana ny varimbazaha, dia nitondra zanak’osy i Samsona hoentiny mamangy ny vadiny ka hoy izy: Hiditra ao amin’ny vadiko ao an’efitrano aho. Nefa tsy namela azy hiditra ny rafozany,
malagasy